4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iny zanako iny - Rebika

maloka maraina
iny vodilanitra iny
fa voasingotr'aina mantsy e!
lay tsy manan-tsiny
lay vao nianatra namindra
nampianarina niteny
lay tsy foin'i dada indrindra
hany kilalaon'i neny

mafaitra loatra sy mikitroka tanteraka
ny anjara omena ity fo niteraka
tsy zaka hatelina masiaka loatra ianao ry tany
efa tsisy afa-tsy iny mbola lasanao ihany

ref:fa maninona ny malalako
tsy foin'ny tanako
toa tsy reko intsony
ny fitempon'ny fonao
fa maninona oa ny malalako
lay tokana an-tanako
dia tsy handre intsony
ny firadaradanao

mirediredy toy ny adala
tsisy farany
hoe ny zanako...zanako
zanaka tiako izy iny
ry raiko ao ambony ô
aza omenao tsiny
fa ny fo sy saina mihitsy
no tsy mety mino

fa iny volana iny oa toa miangatra
ny favelomana hay nofy tsy fantatra
lay bika soa fahiny
ho lasa vovo-mipariaka
ka ny efitra fatoriana
hisolo vato mangatsika

ref:fa manino....

ouh!ouh!hionana ity fo malahelo
mbola hionona ity fo malahelo

Partager iny zanako iny

Commenter iny zanako iny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite