4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dia nataoko hira - Fanja Andriamanantena

Dia nataoko hira avokoa ny fiainanao

Tsy nierako, fa nataoko tsotra izao

Kanjo nony vitako izany

Dia nanjary hita teny ihany

Fa tsy dia mifankaiza

Amin’izay fahita hatraiza hatraiza

Isan’andro, isan’andro



Fa io fiainanao io no nakako

Tononkira hitantarako

Izay fahita sy fandre

Isan’andro, im-be dia be



Dia nataoko hira koa izao tontolo izao

Dia nakako tononkalo vaovao

Kanjo vao nohiraiko vetivety

Dia nanjary hita fa tsy mety

Fa tsy dia mifankaiza

Amin’izay fandre hatraiza hatraiza

Isan’andro, isan’andro, isan’andro.

Partager dia nataoko hira

Commenter dia nataoko hira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fanja Andriamanantena