4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Indray hariva izay - Eric Tahina

Indray hariva izay

Sento sisa nenti-nody

Nialoha lalàna aho

Hamonjy ny fodiana

Eny(2) mamy raha hitohy

Iriko tsy hifankafohy ô!

Izay alehanao, aleako avokoa ry aiko

Raha lavitra ahy ianao

Izato dia tsy veriko irery ô!

Azo foana an’eritreritra

Ireo ora niarahana

Nitambirina ao an-tsaiko re

Ireo teny nisarahana



Indray hariva izay

Tsy tafandry ny alin’iny

Mitanisanisa ireo fahiny

Na andro nifaliana

Na ady nifandirana

Toa tahirim-bolamena

Noa ho vasoka rahoviana

No nandraisako ny herim-pitiavana

Ankehitriny moa

Izaho irery no hanaraka

Hanohy ity tantara

Hiandrandra izay mahasoa

Ny fahatsiarovan anao anie

Hampody hery vao hampionona indray



Indray hariva izay

Sento sisa nenti-nody

Nialoha lalàna aho nilaozan’olon-tiana


Partager indray hariva izay

Commenter indray hariva izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Eric Tahina

Suite