4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hanoratra ho anao - FANJA ANDRIAMANANTENA

Taratasy ho anao, isaky ny iray minitra
Feno izao tontolo izao.
Ny ranomaintiko aza ritra
Nefa izay mba soratrao
Ry olon-tiako feno ditra
Dia tsy misy h@izao

REFRAIN:
Hanoratra ho anao
Isaky ny iray minitra
Miandry valiny aminao
Fa ny maso foana no mipitra

Mbola hanoratra ho anao, na hangaina na hipitra
Ka ny fo anatiko ao aza avelako hitriatra
Ka ny rà miboika avy ao
No solon-dranomainty ritra
Hanoratako ho ano
Isaky ny iray minitra.

Partager hanoratra ho anao

Commenter hanoratra ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FANJA ANDRIAMANANTENA