4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lehibe - Rebika

Mba saino f’aza miangatra na saro-piaro koa

Ry ray sy reny sambatra nampiaraka taloha

Ny ankizy raha mitambatra tsy haditrana moa

Fa tsara raha manandrana mba mifambabo fo



Ny fahafinaretana fikaroka tokoa

Traikefa anie no entina vao manana ny soa



Raha jerenao amin’ny jeografia dia ts’isy tany tsy misy fitia



Ianareo no ho rafozanina k’aza sendoatra aloha

Lehibe ny ankizy mila revy koa izy

Ny fony mihitsy no mizara roa

Ianareo tsy nahafantatra fa izy anie be loha

Ny fiainany voasantatra nomeny an-tsitrapo



Ny gidro any an’ala aza manana malala

Ireo nahazo taona tsy miala foana



Jerijereo amin’ny jeografia fa tsisy tany tsy misy fitia



Ny gidro ...



Jerijereo amin’ny jeografia fa n’iza n’iza mankafy

Jerijereo amin’ny jeografia fa ts’isy tany tsy misy fitia


Partager lehibe

Commenter lehibe

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite