4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nandalo - Rebika

NANDALO

Nandalo , toy ny zavona maraina
Tsy hita akory hoantenaina
Ny omalintsika teo

Nandalo,toy ilay ririnin-dasa
Tsy tsaroana izay nandratra
Isika aza samy leo

Fa tonga ny tsy azo hihodivirana
Ka rava ilay manda nanahirana


Ref :

Variana niolakolaka
Ny tena izy toa lalao
Lany andro nifamolaka
Ka ny fotoana no nandao

Tsy hita izay marina
Isika koa moa zaza be
Tsy nety tafarina
Ireo tsy tia faly nihomehy


Nandalo , ilay eritrerintsika
Nilokaloka ny ho tafita
Ho tabia sy rehareha

Nandalo , ireo andro nibaliaka
Fa hirifiry sisa hita
Feno fanala izay aleha

Soa aza mbola nisy fatotra
F'angamba , izay iray isika safotra

Ref:

Samia ary ho tafita soa
Fa mbola lavitra ny aleha
Ampy izay ny kitoatoa
Fa samy olon-dehibe

Fa mbola tsy anjarako
Hatreo ny fiainana eo aloha
Herezo hatrakao ny loha
Hampandefero ny ao am-po

Nandalo,nandalo,nandalo,.....

Partager nandalo

Commenter nandalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rebika

Suite