VAVAKA
Hifonako aminao,Tompo Ray Tsitoha
Ireny hadalako taloha
Nambininao aho ,tsy ory-java-tsoa
Ny misaotra aza tsy hay
Nambakain’ny akoho
Hifonako aminao,Tompo Ray Tsitoha
Ilay lohasaha mangina mba nianteherako
Ny tanako efa zatra nitsotra iny moa
Ny masoko adala ,ny foko efa voa
Ref: Izay mba faniriana hiova
       Mihodina etsy aho dia hadino
       Fantatrao ny hamafin’ny onjam-piainana,
       efa tsy mampino
       Izay rehetra mety ho vola
       Na aina aza no manefa
       Ny herisetra angolangola
       Rehefa ilaina dia alefa.
Isaorako anao,eran-tsaina eram-po
Ireny kapoka mafy nanjo
Fa  raha tsy ireny aho,tsy mba nitodi-doha
Nibaboka sy ho fay
Tsy hivavaka ihany koa
Ireo didy folo ireo
Nodikaiko avokoa
Zara aza fa tsy very zo
Ny ety an-tany mantsy
Izay tratra ihany no voaheloka hisazy sy rohizan-tanan-droa
Ref: Izay ....
                         REBIKA