4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 10 taona lasa - Tif à Tif

Nanomboka niteny aho dia efa nandrara

Folo taona lasa izay tsy nisy fiovana

Mirediredy ve 'zaho sa olona ambany

Sa taraina mandalo toy ny zavona ihany



Taona maro be aho no nidradradradra teo

Fony fahazazako dia efa farina ny feo

Rindrim-bato angamba no itenenako iny

Voron-kely mitaraina aho k'aza omena tsiny



Pont:

Aleo ny hafa ndray angamba no hananatra azy

Sao ianao miteny ndray no lazainy mamosavy

Na dia mafy sy mangidy aza ireny rehetra ireny

Fa ny fahendrena ngamba dia mangina tsy miteny



Ref:

Oh!... Averiko aminao foana fa fitiavana tsisy otr'izany

Oh!... Atokako ho anao iny ny androm-piainako sisa eto an-tany

Oh!... Fantatrao ihany fa toy izany aho mantsy rehefa mitia

Oh!... Fiovana kely sisa no andrasako aminao ho doria



Reraka ny vatana mivezivezy ny fanahy

Satria ny alina tontolo trotraka mitalaho

Ny Ray any ambony sisa no mety hampiova azy

Fa ny olombelona miteny angamba toa mivazivazy e!



Manomboka androany aho dia hipitrapitra eny

Hamafa ranomaso dia hangina tsy hiteny

Apetrako aminao izany r'ilay Ray Tsitoha

Ilay fiovana lehibe dia misaotra mialoha



Pont:

Aleo ny hafa...



Ref

....................

Ref

Partager 10 taona lasa

Commenter 10 taona lasa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tif à Tif