4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nisy fotoana - Tif à Tif

Nisy fotoana aho nahita anao, toa nandeha teny, nanirery

Nisy fotoana aho nitady anao, tsy nahita anao aho ny andro tontolo

Aiza ianao? Tany ianao...



Ory ny fiainana ve? ts'isy itarainana ve?

Toa tsy hita mandrak'androany

Aloka niserana, tsisy fiverenana ve?

Sa veloma ho mandrakizay, any ianao...



Ref: (x2)

(Lasa ianao) izay vao nanongo tena aho

(Dify ianao) nahatsiaro nanirery aho

(Tany ianao) nanenenako tsy nanontany

tsy hilaza fitia fa hamafa tomany ... ho anao



Nisy fotoana aho nahatsiaro indray, ilay lalan-kely fandalovanao iny

Saingy indrisy fa tonga alahelo, ilay dian-tongotrao sisa tavela tao

Lasa ianao, tany ianao



Tonga ny rivotra avy eo, ny orana nifafy teo

Voafafa ilay sary teo

Aloka niserana, tsisy fiverenana ve?

Sa veloma ho mandrakizay, tany ianao...



Ref: (x2)



Hisy fotoana aho mbola hahita anao

Tsy ho nofy intsony angamba izay andro izay

Fa...ho eo ianao


Partager nisy fotoana

Commenter nisy fotoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tif à Tif