4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy tana - Tif à Tif

Tapitra hatreo! Fandresena no ady eo!

Kiana foana ve ny fiainana an-tany sa mba misy kely sitraka ihany?

Zoako indray ve izao ny mba miteny, sa voasokajy toy ny mpirenireny?



Ref:

Tsy hitanao, tsy hitanao raha ny zava-bita kely sy ny soa nataoko izay

Tsy hitanao, fa ny anao raha ny ratsy sy ny tsara sia mitovy sy sahala

Tsy hitana aho, tsy hitana aho f'efa mihenjana ny tady sao hamotika ny ho avy

Tsy tana aho, tsy tana aho raha tsy fahadisoako nefa toa ahitrikitrikao ho ahy



Marina fa, fa zokiny ianao

Zokiny amin'ny taona fa tsy fo sy fanahy, tsy mba mieritreritra izay kely noho ianao

Hery tsy mitovy ny antsika sy ianao fa ao ny Ray izay mahery noho izaho



Ref:



Tsarovy anie, fa ny taona mandeha

Kely sy bitika aho tany am-piandohana, f'efa samy lehibe ka aleo hifampitana

Olona misaina ianao tsy tokony hamono fa tsy anao irery anie ny tontolo



Oh, oh....hey!



Ref: (x2)



Oh, oh...






Partager tsy tana

Commenter tsy tana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tif à Tif