4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sipasipako - Tif a tif

Ref (*2) :
Sipasipako izay tiako de tiako de ataoko bisous
Sipasipako na ratsy na tsara de mahavoa
Jobajobako izay tiako de tiako de ataoko bisous
n’iza n’iza hanaratsy hanatsara
fa sipasipako


Fa rehefa tiako izy de tiako tokoa
Efa reveko izy hatramin’ny taloha
Izay tsy mba miovaova fitia
Androany aty rahampitso ary

Adaladala hoe’ zay tsy tia
Mahita anay mifankatia
Hatramin’izao hatramin’izay
Dia revenay mandrakizay

Ref:

Efa any aoriana any aoriana ve
De mbola ho lasa olo-dehibe
Sipasipa no fiandohany e !
Dia lasa vady dia vady avy eo

Raha sendrasendra ka miady aky
Misy mampiady rehefa any aoriana
Dia sanatria ’zahay tsy mivaky loha
Vao fitia ny dia bisous bisous

Ref:

Toa hadalan’izay tsy saro-piaro
Nefa fitia tsy azo afangaro
Fa efa iray de iray
Dia revenay, revenay milay

Rehefa zanakay rehefa mandeha
Ka mandehandeha eny an-dalambe
Izahay mitsama efa olo-dehibe
Bisous bisous tsy hadino anie!

Ref :

Partager sipasipako

Commenter sipasipako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tif a tif