4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiezaka hanadino anao - Tif à Tif

Nandinika ny lasa indray aho,

Nandinika ny tokony atao

Fitiavana foana hatrizay,

Nodiako tsy jerena fa nandratra fo



Ampy izay ireo hadalana

Nandefitra aho taloha

Fa misy ny andro sarotra ialàna

Ka tonga izao ilay ora itenenako



Ny adidy maro anefa miandry eny ihany

Mbola lavitra ny làlako izany



Ref:

Hiezaka hanadino anao, hiezaka hanadino anao aho

Hiezaka hanadino anao, na ho mafy na ho mora

Hiezaka hanadino anao aho, hiezaka hanadino anao

Hiezaka hanadino anao, na dia vetivety monja

Fa mampaninona moa?



Yeah...



Ekeko fa làlana iray

Nodiavitsika teo aloha

Fa tojo ilay sampanana indray izao

Voatery ny olona iray hizara roa



Tapitra hatreo ny hadalana

Niarahana natao

Fa any andro ifankahitana

Mba samy ho olon-kendry izaho sy ianao



Ny adidy maro anefa miandry eny foana

Mety misy ny andro mbola hihaona



Ref



Yeah...



Hieaka hanadino anao, hiezaka hanadino anao aho

Hiezaka hanadino anao, na ho mafy na ho mora

Fa amin'izao fotoana izao, hiezaka hanadino anao aho

Hiezaka hanadino anao, n'isan'andro n'isan'ora

Hatreo ny antsika roa



Hatreo ny antsika roa!


Partager hiezaka hanadino anao

Commenter hiezaka hanadino anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tif à Tif