4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny eritreritro - Tif à Tif

Ny eritreritro efa nandeha, lasa lavitra

Nantsoiko hoe avia miverena, fa diso làlana ianao

Ka raha mbola ao ilay eritreritro nanendrikendrika anao, nitsara anao mialoha, izay mbola tsy niseho



Nobedesiko ny fisainako, nanome tsiny anao

Ny ampitso anefa toa mbola ankamantatra



Hiezaka hiteny aho, hamoaka tsiambaratelo

Hilaza mistery aho, ka androany angamba izay andro izay



Eto androany, zay vao ho lazaiko aminao

Fa sambany aho androany hanoroka anao iny

Ianao no voalohany, ianao ilay faharoa,

Ianao angamba ho mandrakizay

Ekeko izany, ekeko f’efa nisy taloha

Tsy hotanisaiko aminao avokoa

Fa nifankatia, fa ny indro kely ny hifanoroka aloha sanatria



Fahadisoana ho ahy

Ny nitsara anao mialoha hatramin’izay

Toa latsaka any anaty, tsy ataoko intsony mandra-maty

Ka ao aoriana kely

Mety holalovanao ireny

Mino enao tsara, f’izay no tiako hambara

Fidoboky ny fo manambara



Eto androany no hilazako izany aminao

Fa sambany aho androany hikipy toy izao

Mangovitra ny molotro hanantona anao

Fa ora tsy nampoiziko izao

Eny hatrizay, ekeko f’efa nisy taloha

Fitiavana madio, natao tamin’ny fo

Mino enao tsara, f’izay no tiako ambara

Fidoboky ny fo manambara



Fahadisoana ho ahy....



Ny eritreritro efa nandeha, lasa lavitra

Nantsoiko hoe avia miverena

Fa diso làlana ianao




Partager ny eritreritro

Commenter ny eritreritro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tif à Tif