4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andeha isika ry zandry - Amboarampeo Faravohitra

Andeha isika ry zandry hanao fampitaha

Andeha re fa sasa miandry ireo olo-mizaha

      Ovay ny famindra hiaraka mirindra

      Ny fihetsitsika aza asian-tomika

      Andeha re hanala hamohamo

      Ny saina izao aoka ho mirana

Hielo ravitatamo hifehy loha voahirana

Hiaraka miraika hiaraka midola

Mamonjy malefaka toa rano eny Ikopa



Dia arahaba ry havan-drehetra

Dia arahaba fa samy tafahoana

Indreto izahay falifaly lalandava

Mahita anareo ka miramiran-tava



Ny mamangivangy zareo

Manohy fihavanana roy e !

izany no fiainana tsy mankaleo

Fa mahaliana toa ero-dronono

Partager andeha isika ry zandry

Commenter andeha isika ry zandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Amboarampeo Faravohitra