4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voamaintilany - Amboarampeo Faravohitra

Manao alin-kely eny Ambohidrapeto

Mitafy fahazavana ny any Andriantany

Tsarovy lalandava fa ny fiainana eto

Mizara toko roa toa voamaintilany



E ! tondraka ririnina ny eny Tsimbazaza

Ka an-kotrokely ny ony eny Ikopa

Tomany ny kamboty k’injao mivazavaza

Ny velon-dray kosa mandihy mitopatopa



Dia toy izany hatrany ny fiainana eto an-tany

Ka lasa ny vinany mandinika an’izany

Raha mifamadika eto ny hehy sy ny sento

Karohy ny fanafody raha hitanao dia ento



Toa hitako mangirana an’eritreritra ary

Fa taolana makiana mitafy vovontany

Ny olona rehetra salama na marary

Dia taona azo isaina dia rembim-pasana ary



Hatrany am-piandohana mitady ody aina

Ka mandrak’androany dia mbola miala maina

Raha tonga ny fotoana hipitrapitra foana

Tsy misy mahatazana ny hava manoloana



Ny fiainana miserana k’handeha hifankatia

Toera-manahirana k’avia mifanampia

Kandeha mba hanahaka olay voamaintilany

Ny mena sy ny mainty mikambana hatrany

Partager voamaintilany

Commenter voamaintilany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Amboarampeo Faravohitra