4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Matoky anao - Amboarampeo Faravohitra

Ry Tompo ô ! Ray Masina ao ambony

Matoky aho f’ianao no miantso ahy

Ka tsy handà na hisalasala intsony

       Manaiky anao



Omeko anao ny foko ka azony

Ny aiko koa ny fiainako aty

F’akaikinao ny saiko efa mitony matoky anao

Tsaroako ianao manambitamby

Mitarik’ahy hanatona Anao

Fa ny fitiavanao manan’amby

Mandresy sy manintona ahy

Kanefa Ray ireo ratsy manadala

Fakampanahy mananontanona ahy

F’ikiro mafy ahi ry Ray Malala

          Matoky anao



Fa na tsy mendrika aza aho dia nekenao

Ka dia matoky aho fa anilanao

Inty ny tanako ho tantananao

Mitombo hery ato anatiko izao

Ka matoky Anao aho , Matoky Anao

Partager matoky anao

Commenter matoky anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Amboarampeo Faravohitra