4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiarahabana andriana - Amboarampeo Faravohitra

Tonga vahiny ianareo

Hitondra ny hafatra sy ny feo

Koa samia mifaly , samia miravo

Fa samy tantana’ny Avo

Faly manatrik’entoana



Sarasara tsy ambaka , tompoko ô !

Toy izao ny fiarahaban’andriana

Ataonay amin’olon-tiana



Lalao re no ataonay amin’ny anatra soa

Ataovy voankazo an’ala

Ny mangidy re aloavy , ny mamy kosa atelomy

Mahaiza mifidy ny tsara ho todin’ny soa

           any ampara

Mahaiza mifidy ny tsara ho todin’ny soa

          sy ny anjara



Arosoy amin’izay re fa manina azy

Fa fitia mivaly , fitia tena mivaly fitia

Fararano aza tonga ririnina mainka izany

         fa raha fahavaratra (bis)



Sarasara tsy ambaka , tompoko ô !

Toy izao ny fiarahaban’andriana

Ataonay amin’olon-tiana

Partager fiarahabana andriana

Commenter fiarahabana andriana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Amboarampeo Faravohitra