4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andao hilalao - FELANIARY

Raha tianao dia andao hilalao

Aza asiana resaka fihafahafana na fisalasalana

Fa fetinao koa ny andro androany aza asianao olana izany

Izay nanelingelina tany avelao aloha ho any

Raha tianao dia hoentiko ianao andeha handihy

Hotohizantsika mandra-maraina ity fetintsika ity

Izay miavonavona tsy te ho any aza asianao olana izany

Rehefa mahita antsika sy ianao mandihy ve izy tsy ho tonga aty

Dia hiafy foana ve, dia tsy hivelatra ianao

Hijaly foana ve, dia izay tiany no atao

Izay indray mandeha ianao no mba manao izay tianao atao

Andao ary e – andao ary e

Andao ary e – andao ary e

Aza menamenatra ianao fa izaho anilanao

Andao ary e – andao ary e

Andao ary e – andao ary e

Tsy izay tiany foana no atao

Partager andao hilalao

Commenter andao hilalao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY