4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manano fitia - FELANIARY

Mama a,

Ohatry ny tsy ho haiko akia

Ny tsy hilaza amin-dry

Fa tiako ho ahy mandrakizay doria indry

ô ry Mama ô,

Efa ela ihany akia

No naniriako antsika hifankatia

Ny mba hampiaraka hanano fitia



Aza matahotra indry

Fa omeko an-dry izay tian-dry

Tsy ho vitan’ny hoe safosafo

Omeko anao izay tena tsara sy lafo

Trano be ve no tian-dry

Sa môtô sy fiara-kodia

Na saribakoly volamena

Hatramin’ny volana aza azoko omena



Mamaivay

Ao anatiko ao

Mangotrakotraka mahamay

Mahatonga ahy ho lasa vinany

Henika anao izao tontoloko rehetra izao

Mivaralila aho raha vao tsy eo anilako ianao



Ho tambatambazako ianao

Ho ampinofinofisiko omeko kilalao hatao



AMboary any aho

Avelao hisisika ho any aminao

Ampidiro aho

Na dia tsy ho ela fa avelao hanao

Sakambino aho

Safosafoy dia omeo kilalao

Rehefa avy eo aho

Rotsirotsio ho eo an-kaikinao



Mama a,

Mba ilazao akia

Ireo rehetra nitia an-dry

fa efa ahy mandrakizay doria indry

ô ry mama ô,

Izay tsy dia faly akia

Dia atero aty

F’izaho sy indry mifanano fitia



Aza matahotra indry...

Partager manano fitia

Commenter manano fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY