4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mila - FELANIARY

F’ity ve tsy mahalala tsy tiana

No toa mitonantonana aty

Izaho mbola eto ambony fandriana

D’efa kotabaisin’ity

Andraso kely f’ataoko mahita ahy io

Izaho no mba hivazivaziana

Dia eo ihany (3)

Izaho manko havan’ity



Fa rehefa mba miteny aminao aho hoe

Tsy mila aho, tsy tia aho, fa ialao

Dia mba mahalala fomba

Izay ambikambiny any avelao

Avalony ny efa lasa fahiny

Any an-kafa indray manorom-pitia

Raha ny hatezerako no ampariko aminao

Dia asa fotsiny angaha



Miala eo alohako eo

Fa mahatsiravina ny mijery an’ity

Fa ianareo ve tsy misasa tarehy

Rehefa andeha hivoaka ny trano

Ary aza mikasikasika ahy eo

Esory ity tanana ratsy

Raha mbola manohy eo ihany ity

Marina mafy tsy hataoko ...



Aleo aho aloha tsy hisendaotra e

Sao mahakasi-tanana anao eo

Fa ny hany fanafodin’izao

LASA IANAO, LASA MIVOAKA



F’ity ve tsy mahalala tsy tiana...

Partager tsy mila

Commenter tsy mila

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY