4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bye bye - FELANIARY

Efa marobe ireo hadalana izay natao

Efa be dia be ny ditra vita hatramin’izao

Sao dia hanenenana fa raha izaho ianao

Ajanony hatreo fa sady izaho koa efa lao

Marina fa masaka ny zavatra natao

Manjamanja foana rehefa miaraka aminao

Saingy sao dia olana rehefa ao aoriana ao

Izaho aloha tsy haninona fa asakasakao



Izay fa

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

Antsoy ihany aho rehefa manimanina e

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

Alaivo ihany aho andeha hisoma rehefa ngôma

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

Veloma any aminy any e fa izy hono hoe ça va

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

F’ingahy no manahoana rehefa noana sa tsy quoi



Ny ahy ve moa tsy miainga foana rehefa lasa izao

Fa raha vao tsy maharaka ahy ho raisina eo ianao

Ny ditra anie tsy ho lany f’izay vizana dia any

Hitsingolongoloka hidaboka amin’ny tany

Zatrazatra an’io dia ny ao an-trano tsy hay intsony

Zara raha mifampikitika rehefa hatory

Izy zatra ambany indray izao no lasa ambony

Mifanome lamosina dia mifanorisory



Izay fa

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

Antsoy ihany aho rehefa manimanina e

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

Alaivo ihany aho andeha hisoma rehefa ngôma

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

Veloma any aminy any e fa izy hono hoe ça va

Bye Bye Bye Bye BYe Bye

F’ingahy no manahoana rehefa noana sa tsy quoi

Partager bye bye

Commenter bye bye

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY