4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feno fitia - FELANIARY

Raha vao miposaka ny masoandro
Ny tsikinao no mambabo ny fo
Dia lasa mihiratra ny tontolo andro
Ny sarinao no mameno ny loha

Ny badabadanao dada sy neny
Ny topi-masonao feno fitia
Na ny tomaninao ombieny ombieny
Lasa hery mitsinjo ny dia

Isaorako Ilay Ray ambony ao
Ny nanomezany anao toy izao
Ka ny vavaka rehetra atao
Tsy misy hafa-tsy ho anao
Ka ny vavaka rehetra atao
Tsy misy hafa-tsy ho anao

Na marina aza fa hoe fitsapana
Fakam-panahy no miandry anao ety
Zahay matoky f'ianao sombinaina
Hano hatrany Ilay Ray be fitia

Partager feno fitia

Commenter feno fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY