4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho tia - FELANIARY

Ireo taona maro lasa, tsy nampiova ny fitiavako anao
Ka na tsy vita aza izay kinasa, mbola betsaka ny tokony hatao
Na mbola rivo-doza na tafiotra, tsy hampiontsona
Fa ianao foana, ianao hatrizay, ianao mandrakizay

Ka na dia mbola hisy adiady, hatezerana
Ataovy an-tsaina foana fa ny fitiavako tsy azo ferana
Na betsaka ny tsy tia, na maro koa ny mpandrava
Izaho sy ianao miara-dia dia ampy hanilika azy, hampisava

Fa mila anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
Hiantso anao foana, ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
Mandra-maty e, izay no fetra

HO TIA anao foana aho n’aiza n’aiza ianao
Hiantso anao foana ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana tsy hahatsiarovako anao
Mandra-maty e, izay no fetra, ny ahy sy ianao

Ka na dia mbola hisy adiady, hatezerana
Ataovy an-tsaina foana fa ny fitiavako tsy azo ferana
Na betsaka ny tsy tia, na maro koa ny mpandrava
Izaho sy ianao miara-dia dia ampy hanilika azy, hampisava

Ho tia anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
Hiantso anao foana ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
Mandra-maty e, izay no fetra

Fa mila anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
Hiantso anao foana, ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
Mandra-maty e, izay no fetra

F’ilay Ray ao ambony ao anie no mbola hitahy
Ho fitia mandrakizay ny anao sy ny ahy
Izay ratsy lasa taloha, aoka hivalona
Fa raha toa tia ahy ianao, raiso ny tanana,

Ho tia anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
Hiantso anao foana ho eo anilako eo
Tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
Mandra-maty e, izay no fetra ny ahy sy anao

Partager ho tia

Commenter ho tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY