4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpangalamama - FELANIARY

Iny fara-vodilanitra iny e
Ny masoandro milentika iny andrefana iny e
Ranomaso mitsonika an-tavanao any e
Manaova veloma f'izy efa tsy eto intsony

Nafoiny daholo ny revy teto hatrizay
Nataony veloma ny rehetra teto an-tanana
Naleony namorona revy hafa indray
Fa tsy ampy azy intsony ka aleony niala pa

Lasan'ny mpangalamama zaza ô
Lasan'ny mpangalamama nama ô
Lasany ka tsy naveriny eto intsony
Lasan'ny mpangalamama zaza ô
Lasan'ny mpangalamama nama ô
Lasany hatramin'ny fony ka tsy haiko intsony

Rehefa iny harivariva iny e
Mahatsiaro ny sangy sy tambitamby avy any e
Na ny vazo sy ny hira niarahana nikalo e
Ataovy veloma f'izy efa tsy eto instony

Nafoiny daholo ny revy teto hatrizay
Nataony veloma ny rehetra teto an-tanana
Naleony namorona revy hafa indray
Fa tsy ampy azy intsony ka aleony niala pa

Lasan'ny mpangalamama zaza ô
Lasan'ny mpangalamama nama ô
Lasany ka tsy naveriny eto intsony
Lasan'ny mpangalamama zaza ô
Lasan'ny mpangalamama nama ô
Lasany hatramin'ny fony ka tsy haiko intsony

Partager mpangalamama

Commenter mpangalamama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY