4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahamay - FELANIARY

Tsy hadiditra intsony aho mamako ô
Tsy hamalivaly intsony aho babako ô
Tsy hisotrosotro intsony aho zokibeko ô
Tsy hamonomono intsony aho zandriko malalako ô

Avelao aho mba hody amin’izay e
Mifona aminareo aho havako sy namako ô
Aza ampijaliana intsony aho f’efa fay e
Ho Hendry be foana aho mandrakizay e

Ref : Mahamay, mijaly aho, marary aho sipa ô
Mila hitapy aho, sitrano aho, marary ny aiko ô
Avia miavy aty, omeo rano zaho ô
Ho serana aty aho raha tsisy anareo

Aza ampijaliana aho, mifona aho sefo
Mba vonjeo aho, jereo aho, marary ny aiko
Avia miavy aty omeo rano zaho ô
Raha serana aty aho veloma ianareo

Tia anao be foana aho sipako ô
Tsy hampirafy intsony aho vadiko malalako ô
Tsy anambany instony aho valibeko ô
Tsy hiteniteny ratsy anao intsony aho rafozako ô

Avelao aho mba hody amin’izay e
Mifona aminareo aho havako sy namako ô
Aza ampijaliana intsony aho f’efa fay e
Ho Hendry be foana aho mandrakizay e

Ref : Mahamay, mijaly aho, marary aho sipa ô
Mila hitapy aho, sitrano aho, marary ny aiko ô
Avia miavy aty, omeo rano zaho ô
Ho serana aty aho raha tsisy anareo

Aza ampijaliana aho, mifona aho sefo
Mba vonjeo aho, jereo aho, marary ny aiko
Avia miavy aty omeo rano zaho ô
Raha serana aty aho veloma ianareo

Partager mahamay

Commenter mahamay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY