4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ala-nenina - HIRA

Tsy nampoiziko ho ianao

No nilaza fa leo ka andao ahy

Ireo izay vita teo aloha

Dia tsy maintsy hoafoina tokoa

Raha milaza ny andeha ianao

Inona moa no azoko atao

Izany teniko rehetra izany

Eny ny ahy ala-nenina ihany



Ref: Izay rehetra vita ve

Dia ho adinoina toy izay

Zava-tsy nety iray monja ve

No hifandaozana ho mandrakizay



Lazaiko anao fa tiako ianao

Ka aoka izany ho fantatrao

Lazaiko anao fa tsy foiko ianao

Ka tanako raha azo atao

Dia ho sahinao tokoa ve

Ny minia mikipy sy tsy mandre

Izany fitiavako anao izany

Eny ny ahy ala-nenina ihany.





HIRA

Aut Comp: R. RACHEL

Arr: SON

Partager ala-nenina

Commenter ala-nenina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRA