4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia vaovao - HIRA

Na eo aza ireo indrisy

Fahavalo manenjika ahy sy ianao

Toa vao maika koa mampitsiry tsara

Ilay fitia vaovao.



Hiezaka aho mba hanorina

Sy hanamafy tsara koa

Hiezaka aho ho fifaliana

Ny fiarahan-tsika roa.



Ireo manodidina ahy sy ianao

Tsy manao afa-tsy tsikera

Anefa ilay fitia vaovao

Tsy hofaranana sanatria ho avela



Toa hitako foana ianao

Manaloka ahy eo aloha eo

Fa na nofy izany na tena izy

Raha izaho, izaho tsy ho leo



Mahatsiaro ho tsy ampy sahady aho

Na fotoana fohy aza ianao no tsy ho eo.



Tonony: Henri Rachel

Feony: Henri Rachel

Mpndrindra: Henri Rachel

Nandray feo: PROJECT’OR

Partager fitia vaovao

Commenter fitia vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRA