4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avia - HIRA

F’efa izay ’loha ny omaly

Eny mafy nampijaly

Haf’indray ny anio

Ny fiainana mitohy tadidio

Mitrakà, mitsangàna

Hadinoy ’zay nialàna

Dieny anio asio hafanana

Fa ny ampitso ho tonga tsy tàna.



REF: Mitsangàna, avia ’ndao handihy

Mitrakà, mitsikia, mifalia

Mitsangàna, avia ’ndao handihy

F’ho anao no nanaovako ’ty hir’ity.



Raha tanora no ts’ hifaly

Di’aleo ho antitra avy ’hatrany

Sao ’any ahoriana any vao hanenina

’Nefa ny taoana tsy ho ’azo averina

Ny lalao, ny fianarana

N’fialamboly, n’fitiavana

Araraoty izay hahasoa

Sy ny ’hatanorana izay tsy hiverin’indroa.



REF: Mitsangàna, avia ’ndao handihy

Mitrakà, mitsikia, mifalia

Mitsangàna, avia ’ndao handihy

F’ho anao no nanaovako ’ty hir’ity.



          TONONY: Henri Rachel

          FEONY: Henri Rachel

          MPANDINDRA: Henri Rachel

          NANDRAY FEO: PROJECT’OR


Partager avia

Commenter avia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRA