4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako ianao - Felaniary


Tiako ianao (FELANIARY)


Hampiditra sary
Sary hafa
Tags

Hiram-pitiavana

Mpihira : FELANIARY
Mpamaky : 164
Nampidirin'i : rakotobruno
Tamin'ny : 04/09/2013 14:36:52
ID : 6362

Imprimer Facebook Facebook
Iaraha mahalala, fantatrao tsara
Fa matoa aho mijery anao maharitra
Dia misy teny izay mba tiako ambara
Saingy sadaikatra aho sy miahotra


Mba faniriako e, tena mba tiako
Raha avy hatrany dia hainao zay tiako atao
Na tsy miloaka akory aza ny vavako
Indro omeko anao ny fitiavako

Mba faniriako e, tena mba tiako
Raha avy hatrany dia hainao zay tiako atao
Na tsy miloaka akory aza ny vavako
Indro omeko anao ny fitiavako

Raha ny ahy anie efa ela no nitepo anao ny fo
Efa ela aho no naniry ny iarahantsika roa
Saingy tsy sahy nilaza sy matahotra aho satria
Manahy aho sao ianao tsy tia

Raha vao mahita anao tsy haiko intsony izay atao
Fa tena babonao , resy sy lasa adala anao
Te hidradradradra mafy ho ren’izao tontolo izao
Hoe TIAKO IANAO

Iaraha mahalala, fantatrao tsara
Fa matoa aho mijery anao maharitra
Dia misy teny izay mba tiako ambara
Saingy sadaikatra aho sy miahotra

Mba faniriako e, tena mba tiako
Raha avy hatrany dia hainao zay tiako atao
Na tsy miloaka akory aza ny vavako
Indro omeko anao ny fitiavako

Raha ny ahy anie efa ela no nitepo anao ny fo
Efa ela aho no naniry ny iarahantsika roa
Saingy tsy sahy nilaza sy matahotra aho satria
Manahy aho sao ianao tsy tia

Anio tsy tana intsony tapa-kevitra aho hilaza
Ka na tsy hiaino ahy aza ianao maika aho hivazavaza
Te hidradradradra mafy ho ren’izao tontolo izao
Hoe TIAKO IANAO

Partager tiako ianao

Commenter tiako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felaniary