4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiran'ny fo - HIRA

Ny hiranao ry foko venteso lalandava

Fa hany fanafody mahamiran-tava

Raha misy alahelo, mavesatra ao an-tsaina

Ny hiranao mamelombelonaina.



Raha faly indray ny saina, fa misy maharavo

Ny hiranao ry foko, kaloy ho ren’ny avo

Ny fisaoran-tsara no atolory azy

’Zay no vetsonao fa tsy vazivazy.



Na dia sarotra aza ny lalana hombana

Ataovy ny hiranao hiventy ny hosana

Ilay tonon-kira soa manondrotra fanahy, yeah.



Ny hiranao ry foko venteso lalandava

Fa hany fanafody mahamiran-tava

Raha misy alahelo, mavesatra ao an-tsaina

Ny hiranao mamelombelonaina.



Ny hiranao ry foko, ny hira asandrato

Ho avy ilay fotoana tsy maintsy miato

Hangina ianao hatreo, fa ny eto dia handalo, yeah.



Ny hirao ry foko venteso lalandava

Fa hany fanafody mahamiran-tava

Raha misy alahelo, mavesatra ao an-tsaina

Ny hiranao mamelombelonaina.



          Tonony: Mihary

          Feony: Hira

          Mpandrindra: Sammy ANDRIAMANORO

          Nandray Feo: PROJECT’OR


Partager hiran'ny fo

Commenter hiran'ny fo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRA