4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamela azy - HIRA

Marina fa nanao ny tsy nety izy

Nanao hadisoana taminao

Nankaharary anao tokoa ireny

Navesatra tao am-ponao

Raha niteny sy nitaraina

Tsy mba nohenoiny ianao.



REFX2

     Anefa izao, tonga aminao izy

     Mifona sy mitalaho

     Ka mba raiso raha sitrakao

     Mamela azy, fa aza manamafy ny fonao.



Izay fotoana rehetra izay mantsy

Nisy nahafahany nisaintsaina

Nahatsapany izay tsy nety

Sy nahafantarany f’ianao ilainy

Nivoady ny tsy hamerina intsony

Ny fitiavany anao efa lalina ao am-pony.



REFX2

     Anefa izao, tonga aminao izy

     Mifona sy mitalaho

     Ka mba raiso raha sitrakao

     Mamela azy, fa aza manamafy ny fonao.



A/C: Henri Rachel

ARR:  Henri Rachel

Partager mamela azy

Commenter mamela azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRA