4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tantarantsika - HIRA

Teo amoron-drano aho, Naka rivodrivotra

Nahatazana anao, Toa miramirana

Ianao koa nijery ahy, Toa menamenatra

Tamy nanantona, Mba hila resaka.



Ref: Dia nitafa teo isika samy faly

Izaho tsy nangingina

Ianao koa nisy namana

Dia niaraka nikalo sy nivazo

Dia niaraka nihira

Ka tonga mpinamana.



Dia nifankahalala isika, Nifankahita foana

Niresaka matetika, Nifanome fotoana

Niara miala voly, Niara manala azy

Niaraka mandihy, Nifanao vazivazy.



Ref: Dia nitafa teny isika samy faly

Izaho tsy nangingina

Ianao koa nisy namana

Dia niaraka nikalo sy nivazo

Dia niaraka nihira

Ka tonga mpinamana.



Dia nitafa foana isika samy faly

Izaho tsy nangingina

Ianao koa  nisy namana

Dia niaraka nikalo sy nivazo

Dia niaraka nandihy

Ka tonga mpifankatia.



          Tonony: Henri Rachel

          Feony: Henri Rachel

          Mpandrindra: Henri Rachel

          Nandray Feo: PROJECT’OR


Partager tantarantsika

Commenter tantarantsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRA