4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambe tsara - FELANIARY

Efa tonga teo ihany aho,
Efa ela ihany no niandrasako anao teo,
Nafarako avokoa izay sendra ahy teo
Hoe rehefa tonga ianao dia mba ilazao

F’izy hono hoe tsy afaka ijanona eto intsony,
Maro be hono hoe no mikaroka ny fony
Raha izay ianao hono hoe tsy andaniany ny fotoany
Raha te hiala koa hono hoe dia tsy ahoany

Ireo tambitamby nifanaovana taloha
Ireo teny mamy aleo hatory tsy hifoha
Ireo sangisangy nifanaovana hatrizay
Avelao any sao dia mahafay

Sambe tsara e
Izay ilay tantara
Sambe tsara e
Aza asiana kafara
Sambe tsara e
Adinoy ny taloha
Fa raha ny ahy aloha, ny trosako efa voaloa

Sambe tsara e
Raha iray no niala
Iaraha-mahalala e
Be dia be no tamana
Sambe tsara e
Adinoy ny taloha
Fa raha ny ahy aloha
Ny ahy no tonga aloha

Izy hono hoe tsy afaka ijanona eo intsony,
Maro be hono hoe no mikaroka ny fony
Raha izay ianao hono hoe tsy andaniany ny fotoany
Raha te hiala hono hoe dia tsy ahoany

Ireo tambitamby nifanaovana taloha
Ireo teny mamy aleo hatory tsy hifoha
Ireo sangisangy nifanaovana hatrizay
Avelao any sao dia mahafay

Sambe tsara e
Izay ilay tantara
Sambe tsara e
Aza asiana kafara
Sambe tsara e
Adinoy ny taloha
Fa raha ny ahy aloha, ny trosako efa voaloa

Sambe tsara e
Raha iray no niala
Iaraha-mahalala e
Be dia be no tamana
Sambe tsara e
Adinoy ny taloha
Fa raha ny ahy aloha
Ny ahy no tonga aloha

Partager sambe tsara

Commenter sambe tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY