4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira He, manolo-tena - FJKM

He manolo-tena ho Anao

Fa mandre ny feo sy antsonao

’Zato tenako izay mpania,

Ka raiso Tompo raiso ry Jesoa tia



Fiv:

Hanoa ny sitrakao, hanao ’zay tianao

Ka ho mpanompo vonona sy sahy koa

Hitory hatrany ilay fitiavanao

Ambaram-pialam-pofon’ aiko Jesoa



Eny Tompo tsy mba mendrika aho

Feno loto ny ao am-poko ao

Nefa re ilay fitiavanao

No inoako handray ahy ho mpanomponao



Eo anilanao no fifaliako

Ho Anao mandrakizay no tiako

Ny ho vavolombelonao Jesoa,

No mamiko sy tena iriko tokoa



Fantatro fa sarotra ny diako

Marobe ny zavatra ho setraiko

Nefa raha Ianao no momba ahy

Dia tsy hanan-tahotra ny fo sy fanahy

Partager he, manolo-tena

Commenter he, manolo-tena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FJKM