4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa tsy misy fahoriana - FJKM

Fa tsy misy fahoriana, izay natolotrao anay

Ka nitarika hakiviana satria efa zakanay

Noho lay vesatra indrindra mafy sy manonja koa

Izay nentinao namindra raha novonoina Ianao Jesoa





Fiv:

Ny fanirim-panahy hiaraka Aminao

Hamelon’ ahy ho sahy hiasa ho Anao

Ny famonjena soa izay nomenao ry Ray

No anton’ ny fiainanay





Fa tsy misy hafaliana tena mampifaly anay

Raha tsy ilay fitahiana avy aminao ry Ray

Fa tsy misy koa fitia hahasambatra anay

Raha tsy ianao ry Tompo tia no mitoetra anatinay



Ny fisainanay izay kely tsy mahatakatra indraindray

Fa ianao ianao irery no toky iankinanay

Ny finoana mila hivaha tsy mahasedra sarotra

Ampijoroy tsy hanahy ho finoana matotra

Partager fa tsy misy fahoriana

Commenter fa tsy misy fahoriana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FJKM