4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feon'iza ? - Gabhy

Hira malefaka iva dia iva

Kalo mangina sy toa mitaraina

No injany manako amin’ity takariva

Misandratra mora, mandrotsy ny saina



Feo miritsoka, haingam-panahy

Manaitra ny vetso, hiampita any ho any

Hira manafatra toa tsy ho sahy

Hisedra ireny onjan’ny tany



Asa, an’iza ary re ’zany feo

Satriko anefa raha toa ka ny anao

Ilay feo manga vao reko aninkeheo

Tiako laingosana hatao kilalao

Partager feon'iza ?

Commenter feon'iza ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gabhy