4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria - Gabhy

Satria ireo maso natao hanan-kery hahatazana foana

Dia tsy haiko fefena mba tsy hijery izay eo anoloana

Matoa matetika teny aminao no nirefarefany

Ilay foko no tia ka nitady anao mba hiantefàny



Satria ny vatako tsy vato aman-kazo fa mba nofo ihany

Dia avy manantona fa te-hahazo sy te-hanontany

Matoa hakiviana nameno ny tavako dia izao no tsarovy

Ianao no nandà tsy nety ho havako fa hoe tsy mitovy



Satria aho mba toy ny olon-drehetra sendra fandàvana

Dia tsy hain’ity foko ny ho voafetra tsy hisy fitiavana

Matoa tsy tanteraka izay nokendrena f’izany no vintako

Izaho hikatsaka ny sahaza ny tena ho solon’ny kintako

Partager satria

Commenter satria

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gabhy