4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anao irery - Gabhy

Anao irery aho, anao hatrany hatrany

Anao, matokia raha mbola eto an-tany

Atolotro anao ny fiainako rehetra

Atolotro anao, anao tsisy fetra



Sahiko lazaina fa raha tsy eo anilanao

Voary tsy ilaiko izao tontolo izao

Aleoko raha ho izany dia tsy ho ary teto

Satria dia hijaly ny fiainako eto



Porofo ve no ilainao rahavako

Aleo dia ho ambara aminao ny fitiavako

Raha toa ka ilaina ny hamoizana ny aiko

Dia foiko ho anao, ho anao sombinaiko






Partager anao irery

Commenter anao irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gabhy