4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lasa - Gabhy

Tsy asiam-panenenana akory ny lasa

Tsy asiana alahelo ny zavatra vita

Fa hoatry ny lamba niaraha-nanasa

Tahaka ny rano niarahana mita



Ny taona efa lasa dia lalan’ombàna

Tsy arahina  fondro, tsy arahina tsiny

Na ritra aza re ny fihantahantàna

Dia mbola tsarovako izany fahiny



Na bonga aza sisa, tanaty tanàna

Na rava aza hono ny trano rehetra

Ny toerany kosa dia sarotra halàna

Ny tany niorenany, mbola toetra



Tsy ho fongotra akory ny hazo kapaina

Ny raviny foana no raraka an-tany

Ny tahony angamba no mety ho maina

Ny fakany kosa dia mbola ao ihany

Partager ny lasa

Commenter ny lasa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gabhy