4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny endrikao - Gabhy

Nofisiko foana 'lay endrikao iny

Ilay endrika tsapako tsy misy tsiny

Tanatin'ny alina, 'zay hitako foana

Tsinjoko ihany 'lay tsiky anoloana



'Lay endrikao tsotra, tsy be haitraitra

Mandondona foana no sady manaitra

Tsoriko etoana, tsy haiko ho hadinoina

'Lay endrikao iny, tsy foiko soloina



'Lay endrikao kanto sy mirana lava

Ny dindon'izany ato am-poko tsy rava

Manohana alahelo ny fahitako azy

Raha saraka kosa, toa olom-boasazy

Partager ny endrikao

Commenter ny endrikao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gabhy