4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira ho anao - Gabhy

Hira no atolotro anao

Hira, kalokalo no hatao

Mba hanala taraina

Sy ny fo savolaina

Ka hitondra hafaliana

Mba ho anao ry tiana



Hira, isan’andro, isan’ora

Hira no vetsoy moramora

Fa ho sambatra ianao

Raha toa tsapanao

Fa ny hira no hany

Fanafodin-tomany  



Fiverenana : Hira no lazaiko anao

                   Fa na iza eto an-tany

                   Mbola velona ihany

                   Hira, hirahira no hatao

                   Mba handrotsy ny saina

                   Vonton-tsento taraina

Partager hira ho anao

Commenter hira ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gabhy