4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isaky !.... - Gabhy

Isaky ny vao maraina

Hisandraham-boninkazo

Dia fanaoko hatrany hatrany

Ny mizaha ’zay kanto indrindra



Nefa endrika daholo

Mora mihintsana malazo

Ny endrikao irery ihany

No vonifanja soa, mirindra



Isaky ny takariva dia manjary zava-batrako

Ny miandrandra habakabaka hijery kintana hiseho

Nefa indreo fa kintana hafa mahatsilo hatrany an-tratrako

No mamiratra indrindra... Hay ny masonao ireo



Raha handrava nofo anao

Ny taona maro nolalovana

Eny nampody anao

Any an-tany fahalovana



Ny endrikao... fahatanoràna

Mbola ho voninkazo amiko

Ny masonao mijery ahy

Mbola ho kintana alin-taniko

Partager isaky !....

Commenter isaky !....

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gabhy