4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aleoko ny ahy - Hantatiana

Fantatro fa maro tokoa

Reo hira tsara tsy afaka am-bavanao e! e! e!

Maro izy ireo no mahasoa

Ao ny manentana mba hilalao e! e! e!

    Nefa asa hoy aho, fa tiako ny ahy

    Ka tsy mba atakaloko ny an’ny hafa e! e! e!

    Ka na hira inona no hanana fahatsarana

    Dia aleoko ihany ny fiderana e!



Ref:    Ka ho hiraiko foana e! e! e!

          Ny hira fiderana a! a! a!

          Satria ilay Tsitoha mpanao ny tsara no deraiko

          Nahoana ny fiderana no tsy lalaiko.



Misy aza moa mandratra fo

Hira izay mandoaka ny fery anaty e! e! e!

Hiram-pitia, izay mahavoa

Nefa dia be mpitia sady be mpitady e! e! e!

    Nefa asa hoy aho, fa tiako ny ahy

    Ka tsy mba atakaloko ny an’ny hafa e! e! e!

    Ka na hira inona no hanana fahatsarana

    Dia aleoko ihany ny fiderana e!

Partager aleoko ny ahy

Commenter aleoko ny ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite