4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavan'ankizy - Hantatiana

Ankizy kely iray no teo amorom-patana

Varianan raha nahita afo raraka amin’ny tany

Angamba noheveriny hoe karazarazambakana

Ity vainafo kely ka noraisiny avy hatrany



   Dia miempaka sahady ’lay ratsantana keliny

   Nihemotra haingana izy dia nirotsa-dranomaso

   ’Lay zava-noheveriny hoe mamy sy tanteliny

   Nanjary nandosirany toa biby be ankaso



Foko izy mitempo ho anao androany

Rahampitso mbola mety hitomany

Raha fitia mifoha alohan’ny fotoanany

Mety andoro izay mandalo eo anolonany



  Ry foko mitonia fa sao maratra ianao

  Andraso ilay voatendrin’ilay Nahary anao

  Mba tsy ho lasa nenina izay handatsa

  Fa afon’ny Fitia ka tsy atao kilalao.

Partager fitiavan'ankizy

Commenter fitiavan'ankizy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite