4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Namana - Hantatiana

Namako ianao fa tsy mba namanamana

Tiako ianao satria tena namana

Niara-nianatra isika hatramin’izay,

Tsy nifandao na dia tafasaraka indray

Voazaran’ny toeram-pianarana samihafa isika

Nanahy aho f’ho foana ny fiarahantsiaka

Kanjo vao maika nihalalim-paka indray

Sambatra aho mana-namana



refrain:

Namana hanariana raha toa aho ka sendra lavo

Maniry hatrany ny hisondrotako avo

Vonon-kanitsy raha toa aho ka sendra hadisoana e

Manampy ahy hanam-pinoana



Niampy hatrany ny fiarahantsika

Isan’andro hatramin’ny andro alahady

Nifamotoana,hiaraka handeha

Hiaraka hidera ilay Andriamanitra avo



Tany isika niara-nahita indray

Ilay tena namana haharitra mandrakizay

Sady nanolotra ny ainy hamonjy ny tiany

Ny hiadanantsika hatrany no faniriany

Maniry ny hamonjy satria manam-pitiavana

Marina anefa ka tsy afaka ny hanery

Te ho sakaizan’ireo narian’ny havana,

ka mahatsiaro ho irery.



Refrain: Namana....

Partager namana

Commenter namana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite