4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lokon-danitra - Hantatiana

Maizina ve ilay lokony lanitra
Mavesatra fa fahavaratra
Jereo ny lokon'iry tanimbary iry
Tarafin'io masoandro milentika io

Mahereza ianao atrakao ny loha
Dia banjino ny hatsaran'ilay Ray Tsitoha
Aoa anatin'ny mafy no asehony anao
Ny halehiben'ny Voninahiny.
(bis)

Nandao anao va ilay havan-tianao
Sa very maina izay ezaka efa natao
Henjehina noho ny marina va ianao
Ka mampanjombona ny lokon-danitrao

Mahereza ianao atrakao ny loha
Dia banjino ny hatsaran'ilay Ray Tsitoha
Aoa anatin'ny mafy no asehony anao
Ny halehiben'ny Voninahiny.
(bis)

Partager lokon-danitra

Commenter lokon-danitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite