4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sambatra - Hantatiana

SAMBATRA

Sambatra ny fon’izay matoky Anao

Tsy atopatopan’onja raha manana Anao

Na dia samy hisedra ihany

Zava-tsarotra eto an-tany

Dia sambatra ny fo matoky Anao.



Hodidinin’ny famindram-ponao isan’andro

Na ririnina aza mbola mahita masoandro

Na dia samy hisedra ihany

Zava-tsarotra eto an-tany

Dia sambatra ny fo matoky Anao.



Sambatra ny saina iray safidy Aminao

Saina mankahala ota manimba hatrizao

Na dia samy hisedra ihany

Zava-tsarotra eto an-tany

Dia ravo izay misaina toa Anao.



Hodidinin’ny famindram-ponao isan’andro

Na ririnina aza mbola mahita masoandro

Na dia samy hisedra ihany

Zava-tsarotra eto an-tany

Dia ravo izay misaina toa Anao.



Hantatiana

(Ndriana Ramamonjy)

Partager sambatra

Commenter sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite