4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fiainako dia voninkazo - Hantatiana

Sambatra aho Jesosy

Hanitrao no hanitro

Sambatra aho Jesosy

Fiainanao no fiainako



Ny fiainako dia voninkazo an-jaridaina soa

Izay manintona ny maso maro tia tokoa

Fantatro fa mbola halazo nefa mamiko

Satria mitondra hanitra ho an’ny namako



Sambatra aho Jesosy

Taratrao no taratro

Sambatra aho Jesosy

Fiainanao no fiainako



Ny fiainako dia kintana anaty aizina

Izay mitondra hazavana ho an’ny hafa koa

Tsy mba tompony aho ka hoe hireharehavako

Fa taratra avy aminao no aharihariko

Partager ny fiainako dia voninkazo

Commenter ny fiainako dia voninkazo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite