4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omeo ankohonana - Hantatiana

Inona re no azonao atao

Ankizy maro no injao mitalaho

zaza tsy ampy taona akory

Ampiasaina mafy ery

Asa ratsy maro no ataony



Ampijaliana amin'izay tsy rariny

Ny tsara tsy omeny hofantariny

Eny amoron'arabe

No hany fonenany

Izay rainy tsy mbola hitany



Omeo ankohonan'izy hotiaviny

Zay teny mamy no mba tadiaviny

Ambarao fitiavanao

Omeo tambitamby koa

Ahalalany ny fiadanam-po



Zaro amin'izay lalany alehany

Ny ho aviny no aoka hatrehany

Ahita fahalalana arak'izay tratrany

Hovoaro amin'ny aretin'izy



Tsaroany ireo kapoka nohon'ny ditrany

Dada sy neny no niara-niteny

Satria zanaka tiana dia tsy maintsy faizina

Nefa raha mifona raisina



Omeo ankohonan'izy hotiaviny

Zay teny mamy no mba tadiaviny

Ambarao fitiavanao

Omeo tambitamby koa

Ahalalany ny fiadanam-po

Partager omeo ankohonana

Commenter omeo ankohonana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite