4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ratra anaty - Hantatiana

RATRA ANATY

Olona hafa noho ny rehetra va ianao

Satria sady vato nasondrotry ny tany

No trafo izay nasondrotry ny nofo ihany koa

Ka mihevi-tena ho tsy manam-paharoa.

Izay rehetra ataonao toa mety avokoa tokoa

Anananao ny harena, ny laza ihany koa

Saingy nahoana anefa ianao no maratra anaty

Vao voakihana dia ito tsy mahatanty.



Fiv: Fanetren-tena e: io no harena izay miafina

      Ny fahendrena ao aminy ihany no tarafina

      Fanetren-tena e: no tian’ny Tompo asandratra

      Na manana ianao na ory ho sambatra.



Mahatsiaro tena ho ambany foana va ianao

Hany ka resy tsy miady amin’izay atao

Izay rehetra vitanao anenenana avokoa

Ny zava-dratsy no hitanao fa tsy ny soa.

Izay rehetra ataonao toa maty momoka avokoa

Takon’ny olanao ny herin’ilay Tsitoha

Mandavan-taona ianao dia indro maratra anaty

Vao voakihana dia ito tsy mahatanty.

      HANTATIANA

      (Ndriana Ramamonjy)

Partager ratra anaty

Commenter ratra anaty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite